Kasirano
Ny kasirano dia karazana vano. Ny anarany ara-tsiansa dia Ardea humbloti. Eto Madagasikara dia fahita any amin’ ny morontsiraka avaratra sy andrefana izy io, fa any an-tanety ihany koa, indrindra eo akaikin’ ny farihin’ Alaotra. Eo koa ny any amin’ ny nosy Kômôro sy Mayotte. Karazaba atahorana ho lany tamingana ny kasirano, ary tombanana ho 1 500 ny isany. Toa mihavitsy ny mponina ao aminy.