Kasônke (vahoaka)

Ny Kasônke dia vahoaka mandinga any Afrika Andrefana, monina indrindra ao Maly, ao amin' ny faritr' i Kayes, ao amin' ny faribolan' i Bafoulabé sy ny faribolan' i Kayes (tanin' ny Fanjakan' i Khasso taloha) ary koa any Maoritania sy Senegaly ary Gambia. I Khasso (tanin' ny Kasônke) dia voahodidin' ny an' ny Sôninke any avaratra-andrefana, sy ny an' ny Bambara any avaratra-atsinanana ary ny Malinke any atsimo-andrefana sy atsimo-atsinanana. Miisa 906 500 izy ireo ka 891 000 ny any Maly, 13 000 ny any Senegaly ary 2 500 ny any Gambia.

Lehilahy kasônke

Ny lehilahy sy ny vehivavy kasônke dia manao olatra amin' ny tarehiny: io atao hoe Tama Fara Woro, ratra mitsangana enina eo amin' ny lafiny tsirairay amin' ny tarehy na amin' ny fomba hafa. Ny vehivavy, ankoatry ny olatra, dia manisy tombokavatsa amin' ny molony sy ny hihy, ka misy karazany maro izany, toy ny Foda soko, izay tombokavatsa manomboka eo amin' ny handrina ka hatrany amin' ny tendron' ny orona.

Ny fitenin' izy ireo dia ny fiteny kasônke, izay anisan' ny fiteny mandinga sady tena akaiky ny fiteny maninka andrefana.