Karkemisy
I Karkemisy (Karkemish) dia renivohitra fahiny tany amin' ny tapany avaratra amin' ny faritr' i Siria. Nahaleo tena ity tanàna ity indraindray nandritra ny tantarany, nefa anisan' ny fanjakana Fanjakan' i Mitany sy ny Fanjakana Hitita ary ny Empira Neô-Asiriana koa izy io. Ankehitriny dia eo amin' ny sisin-tanin' i Torkia sy i Siria izy. Ankehitriny dia atao hoe Karkamış izy amin' ny teny tiorka. Amin' ny literatiora eorôpeana izy dia atao hoe Carchemish na Karkemish
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/fe/NeoHittiteStates.gif/243px-NeoHittiteStates.gif)
Toerana nisy ady lehibe iray, tokony ho tamin' ny taona 605 tal. J.K, teo amin' ny Babilôniana sy ny Ejipsiana, voalaza ao amin' ny Baiboly (Jer. 46:2). Tanàna mifanolo-bodirindrina amin' ny toerana nisy azy dia i Karkamış any Torkia sy i Jarabulus (izay atao hoe koa Djerablus, Jerablus, Jarablos, Jarâblos) any Siria.