Ny kambin-tsikina, eo amin' ny zavamaniry, dia faritra mampisaraka ny sikin-taho sy ny ravina amin' ny zavamaniry tokam-bihy. Ny kambin-tsikina eo amin' ny Poaceae (ahitra) sy eo amin' ny Cyperaceae ary eo amin' ny Juncaceae, dia singa hita amin' ny ravina miendrika lela mielabakaka, indraindray tsy misy fa soloin' ny andian-tsibolo, na tsy misy mihitsy aza, eo amin' ny fihaonan' ny fonony sy ny felan-dravina, amin' ny fitohizan' ny fonony.

Kambin-tsikina eo amin' ny ravin' ny Alopecurus geniculatus (Poaceae).
Kambin-tsikina miendrika tsibolo