Harefo
Ny harefo dia zavamaniry ahitra, tsoatokana, lava, poakaty, mitovitovy amin' ny zozoro (Cyperus), ao amin' ny fianakavian-javamaniry atao hoe Cyperaceae. Ahazoana akora marefo ny harefo nefa fanamboarana tsihy sy harona ary satroka. Misy tavolo miangona ny tahony ka azo atao sakafo amin' ny fotoana tsy mampisy sakafo.
Ireto ny zavamaniry antsoina amin' ny teny malagasy hoe harefo: ny Eleocharis baronii Baker sy ny Eleocharis limosa (Schrad.) Schult. ary ny Eleocharis plantaginea R. Br. Ny zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Eleocharis dia anamboaran' ny Malagasy fitafiana nentim-paharazana, any amin' ny faritra aniriany.
Ireto kosa ny zavamaniry ao amin' ny vondrona Eleocharis hita eto Madagasikara izay tsy voatery hatai hoe harefo[1]:
- Eleocharis baronii - harefo
- Eleocharis caespitosissima - kivolanaondry, kivolonaondry, kivolonondry, volontany
- Eleocharis equisetina - horefo
- Eleocharis fistulosa - harefopoakaty
- Eleocharis limosa - harefo
- Eleocharis minuta - kivolonondry, volontany
- Eleocharis plantaginea - harefo, hareforefo, herefo, horefo
Jereo koa
hanovaLoharano sy fanamarihana
hanova- ↑ Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy, "Eleocharis", motmalgache.org