Ny kadmiôma dia singa metaly miloko manjelatra sady mora volavolaina ary mora roritina, mitondra ny laharana atômika 48 ary aseho amin' ny alalan' ny eva Cd. Ny kadmiôma no singa ara-tsimia voajanahary laharana faha-65 raha ny habetsahany no heverina ao ambanin' ny Tany. Mitsonika amin' ny maripana 321 °C izy ary mangotraka amin' ny 765 °C. Manana hakitroka 8,64 sy lanja atômika 112,40. Mirehitra ny kadmiôma raha haganaina naty rivotra ka mamoaka lelafo miredareda.

Kristaly sy anjan-kadmiôma madio