Kônfesiôna Aogostana

Ny Kônfesiôna Aogostana na Kônfesiônan' i Aogsborga dia ny fanambaràm-pinoana fototra ao amin' ny Fiangonana loterana sady iray amin' ireo tahirin-kevitra manan-danja indrindra tao amin' ny Refôrmasiôna prôtestanta, izay voasoratra tamin' ny teny alemàna sy tamin' ny teny latina sady naseho tamin' i Karôlo Kointo sy tamin' ny mpanapaka alemàna maro ary tamin' ireo tanàna afaka tamin' ny 25 Jona 1530, nandritra ny fivoriana natao tao Augsburg. Atao hoe Confessio Augustana izany lahatsoratra izany amin' ny teny latina ary Augsburger Konfession amin' ny teny alemàna.

Fanehoana ny Kônfesiôna Aogostana teo anatrehan' i Karôlo Kointo.

Jereo koa hanova