Johannes Gutenberg

Johannes Gutenberg
Ankapobeny
Anarana Johannes Gutenberg
Teraka 1 Janoary 1400
Maty 12 Febroary 1468
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Alemaina
Asa :
Fiainana manokana

I Johannes Gutenberg na Gutenberg dia mpanonta printy alemana, namorona karazana lohavy azo afindrafindra izay niteraka fandrosoana lehibe tamin' ny fampielezana lahatsoratra sy fahalalana. Teraka tamin' ny taona 1400 tany Mainz (fr: Mayence), tao amin' ny Empira Masina Jermanika, ary maty tamin' ny 3 Febroary 1468 tao amin' ny tanàna nahaterahany ihany. Ny anarany feno dia Johannes Gensfleisch zur Laden zum Gutenberg.

Na dia heverina ho hetsika lehibe tamin' ny vanim-potoan' ny Renaissance aza ny famoronana nataony, dia nisedra fahasahiranana teo amin' ny fiainana i Gutenberg. Niombon-draharaha tamin' i Johann Fust sy i Peter Schoeffer izy, tamin' ny Ôktôbra 1455, dia resy teo anatrehan' ny fitsarana izy tamin' ny raharaha tamin' i Fust mpampindram-bola azy izay naka ny toeram-piasany niaraka amin' ny fitaovana sy ny zavatra voatonta printy.

Tsy afaka tamin' izany fahantrany izany i Gutenberg raha tsy teo i Adolphe II izay printsy-elektoran' i Nassau, izay nanome azy fisotroan-dronono mandritra ny androm-piainany sy ny anaram-boninahitry ny Gentleman (frantsay: gentilhomme) tao an-dapany.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.