Joany avy any Patmôsy

I Joany avy any Patmôsy na Jaona avy any Patmo na Joany Mpahita na Jaona Mpahita dia anarana omena ny mpanoratra ny Bokin' ny Apôkalipsy izay milaza ny tenany inefatra amin' ny anarana hoe "Joany" na "Jaona". Tokony ho tany amin' ny taona 95 any ho any no nanoratany. Ny mpanoratra ny Apôkalipsy dia tsy namela zavatra ara-tantara ary ireo lovantsofina momba azy dia mifanohitra hatramin' ny vanimpotoana nanombohan' ny kristianisma.

I Masindahy Joany ao Patmosy, sary nataon'i Diego Vélasquez.

Araka ny fikarohan' ireo mpamakafaka lahatsoratra dia mety nanoratra tamin' ny fiteny arameana na tamin' ny fiteny hebreo i Joany, ka mahatongna ny petra-kevitry ny mpikaroka izay manao azy ho mpaminany jodeô-kristiana mitety tanàna ho marina. Araka io petra-kevitra io dia nandositra an' i Palestina i Joany tamin' ny fisian' ny fikomiana jiosy tamin' ny taompolo 60 sady mety nialokaloka tany Azia Minora (angamba tany Efesôsy na Efezy), alohan' ny hanaovana sesitany azy any Patmôsy na Patmo, noho ny faneren' ny "fanenjehana nataon' i Dômitiano" (araka ny lovantsofina), nefa ny fahamarinan' ity lovantsofina ity dia mbola mampiady hevitra ny mpahay tantara.

I Masindahy Joany Evanjelista ao Patmosy, sary nataon'i Jheronimus Bosch.

Mety olona nana ny maha izy azy tao amin' ny fiangonana jiosy-kristiana tany Azia Minora tao amin' ireo Fiangonana fito izay anoratany izy, ka ilazana azy ho mpaminany mandehandeha. Ny fifandraisan' io mpanoratra io amin' ny lovantsofina sy ny fiangonan' i Joany dia iadian-kevitra. Ny ankamaroan' ny mpilaroka anefa mirona amin' ny tsy fampifandraisana an' i Joany avy any Patmôsy amin' ny firehana jôhanika, na dia mety nisy ihany ny fihaonan' izy ireo.

Ny fampitovian' ny lovantsofina ny mpanoratra ny Apôkalipsy amin' i Joany Evanjelista na amin' i Joany Apôstôly dia niteraka fanaovana tsanganasa kanto natokana ho azy. Niteraka aingam-panahy teo amin' ny mpanao hosodoko maro toa an' i Bosch sy i Vélasquez izany.

Jereo koa hanova