Jihady Islamika Palestiniana

Ny Hetsika Jihady Islamikan' i Palestina, izay fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Jihady Islamika Palestiniana (PIJ), dia fikambanana palestiniana mitam-piadiana izay mamaritra ny tenany ho "fikambanana nasiônalista islamika sy hetsi-panafahana" an' i Palestina. Nofaritany ho "ady amin' ny tsy rariny" ny Jihady. Ny Brigady Al-Quds no sampany mitam-piadiana. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe حركة الجهاد الإسلامي في فلسطين / Harakat al-Jihad al-Islami fi Filastīn.

Ity fikambanana ity dia ao amin' ny lisitra ôfisialin' ny fikambanana mpampihorohoro araka an' i Kanada, i Etazonia, ny Vondrona Eorôpeana, i Aostralia, ny Fanjakana Mitambatra, i Japana ary i Israely.

Kely kokoa noho ny Hamas ny Jihady Islamika, ary tsy manana tambajotra sôsialy midadasika sahala amin' ny an' ny Hamas. Ny Jihady Islamika Palestiniana dia naorin' i Fathi Shaqaqi sy i Bachir Nafi ary i Abdelaziz Awda tany Ejipta ary avy eo tao amin' ny Salavantanin' i Gaza nandritra ny taompolo 1970. Manana fifandraisana amin' ny Hezbollah ilay vondrona.