Jesoa araka ny bahaisma

I Jesoa, araka ny bahaisma, dia fisehoan' Andriamanitra. Ny hoe "fisehoan' Andriamanitra" dia fiheverana bahay momba ireo mpaminany[1], izay mpanelanelana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona, izay manompo amin' ny fampitana hafatra sy ahafaha-mitaratra ireo toetra manokan' Andriamanitra. Izany fiheverana izany dia manindry ny fananan' i Jesoa toetr' olombelona sy toetr' Andriamanitra miaraka[2], izay mitovitovy amin' ny fiheverana kristiana ny amin' ny fahatongavana ho nofo[3]. Manaiky an' i Jesoa ho Zanak' Andriamanitra ny mpino bahay[4]. Amin' ny mpino bahay dia fahatongavan' ireo toetra manokan' Andriamanitra ho nofo tanteraka i Jesoa, nefa tsipahin' io fivavahana io ny fiheverana ny "maha izy azy tsy hay lazaina" an' Andriamanitra ho ao amin' ny tenan' olombelona iray noho ny finoan' izy ireo momba ny "fisian' Andriamanitra manerana ny toerana rehetra sy ny fihoa-drahan' ny maha izy azy an' Andriamanitra"[5].

I Bahá'u'lláh mpanorina ny fivavahana bahay dia nanoratra fa samy manana ireo toetra manokana mampiavaka an' Andriamanitra ny fisehoan' Andriamanitra tsirairay, noho izany dia azo lazaina ho "fiverenana" ara-panahin' ny fisehoan' Andriamanitra taloha rehetra izy ireo, ary ny fisehona vaovao tsirairain' Andriamanitra dia manambara ny fiantombohan' ny fivavahana vaovao izay misolo ireo fivavahana teo alohany, izany no atao hoe "fanambaràna miandalana"[6]. Mino ny Bahay fa ny tetik' Andriamanitra dia miseho tsikelikely amin' ny alalan' izany fanambaràna miandalana izany arakaraka ny fihamatoran' ny taranak' olombelona, aty misy amin' ireo fisehoan' Andriamanitra ireo no tonga amin' ny fahatanterahana manokan' ny asa fanirahan'ny teo aloha. Ny Bahay ohatra diai mino fa i Bahá'u'lláh dia ny fiverenan' i Kristy izay efa nampanantenaina[7]. Manamafy ny toetra maro ananan' i Jesoa araka ny anoritsoritan' ny Evanjely azy, fa tsy izy rehetra, ny fampianarana bahay. Mino ny fahateraham-birijiny an' i Jesoa sy ny fanomboana azy amin' ny hazo fijaliana ny Bahay[8], nefa manao ny fitsanganan-ko velon' i Jesoa sy ny fahagaganana nataony ho manana heviny am-panoharana ihany[9].

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Stockman, Robert (1992). "Jesus Christ in the Baháʼí Writings". Bahaʼi Studies Review. 2 (1). Tahiry tamin' ny 7 Jona 2019.
  2. Cole, Juan (1982). "The Concept of Manifestation in the Bahaʼi Writings". Études Baháʼí Studies. 9: 1–38. Tahiry tamin' ny 17 Mey 2019.
  3. Stockman, Robert (1992). "Jesus Christ in the Baháʼí Writings". Bahaʼi Studies Review. 2 (1). Tahiry tamin' ny 7 Jona 2019
  4. Smith, Peter (2000). "peace". A concise encyclopedia of the Bahá'í Faith. Oneworld Publications. p. 214. ISBN 978-1-85168-184-6.
  5. Stockman, Robert (1992). "Jesus Christ in the Baháʼí Writings". Bahaʼi Studies Review. 2 (1). Tahiry tamin' ny 7 Jona 2019
  6. Cole, Juan (1982). "The Concept of Manifestation in the Bahaʼi Writings". Études Baháʼí Studies. 9: 1–38. Tahiry tamin' ny 17 May 17, 2019.
  7. Smith, Peter (2008). An Introduction to the Baha'i Faith. Cambridge University Press. p. 128. ISBN 978-0-521-86251-6. Tahiry tamin' ny 10 Septambra 2015.
  8. Lepard, Brian D. (2008). In the Glory of the Father: The Baháʼí Faith and Christianity. Baháʼí Publishing Trust. p. 118. ISBN 978-1-931847-34-6. Tahiry tamin' ny 10 Septambra 2015.
  9. Cole, Juan R. I. (1997). "Behold the Man: Baha'u'llah on the Life of Jesus". Journal of the American Academy of Religion. 65 (1): 51, 56, 60.