Jamaa (fivavahana)

Ny jamaa dia sektan' ny kristianisma afrikana ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, izay nifototra amin' ny katôlisisma, sady anisan' ireo atao hoe "fiangonana kristiana afrikana tsy miankina". I Placide Tempels, izay pretra fransiskanina flamanda, no nanorina azy. Na dia eken' ny Eglizy katôlika rômanina aza io fiangonana io, sady mandray anjara amin' ny fiainan' ny paroasy aza ny mpino ao aminy, dia mampametra-panontaniana matetika ny fombany izay mihataka amin' ny finoana sy ny fanao katôlika. Midika hoe "fianakaviana" ny teny hoe jamaa amin' ny teny soahily.

Jereo koa hanova