Ny ifrity, efrity na afrity, araka ny finoan' ny Miozolmana, dia karazam-panahin-demony. Tsy misy ny filazalazana momba ny toetrany ao amin' ireo lahatsoratra kanônikan' ny fivavahana silamo dia hita ao amin' ny finoam-bahoaka ny filazana azy ho manana toetra sahala amin' ny an' ny matoatoa mpanao ratsy, izay mivoaka aorian' ny fahafatesana. Misy koa ny mino fa karazana seitana ihany ny ifrity izay misintona ny herim-piainan' ny olona nisy namono. Fanampin' izany dia tsy mitovy tanteraka amin' ny seitana ny ifrity raha ny fiaviany no heverina. Amin'ny teny arabo dia atao hoe عف / ifrīt raha milaza tokana, fa عفاريت / afārīt kosa raha mlilaza maro.

Jereo koa hanova