Hetsika ho an' ny maha Tokana sy ny Jihady ao Afrika Andrefana

Ny Hetsika ho an' ny maha Tokana sy ny Jihady ao Afrika Andrefana dia fikambanana islamista mpikatroka izay nisaraka tamin' ny Al-Qaida tao Maghreb Islamika izay mikendry ny hampiely ny jihady manerana ny faritra midadasik' i Afrika Andrefana, ary koa mitaky ny fandroahana ny tombontsoan' ny Frantsay rehetra (indrindra fa ny miaramila sy ny loharanon-karena) izay miasa any Afrika Andrefana, izay heverin' izy ireo ho mpanohy ny fanjanahan-tany sy mpibodo.

Sainan' ny Fanjakana Islamika

Atao hoe Movement for Oneness and Jihad in West Africa (MOJWA) na Movement for Unity and Jihad in West Africa (MUJWA) io fikambanana io amin' ny teny anglisy, جماعة التوحيد والجهاد في غرب أفريقيا / Jamāʿat at-tawḥīd wal-jihād fī gharb ʾafrīqqīyā kosa amin' ny teny arabo, ary Mouvement pour l'unicité et le jihad en Afrique de l'Ouest (MUJAO) amin' ny teny frantsay.

Voafetra ho any amin' ny faritra atsimon' i Alzeria sy avaratr' i Maly ny asany. Nanohy niaraka amin' ny AQIM ilay vondrona ary nosazin' ny Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 2012. Nitambatra tamin' ny Al-Mulathameen an' i Mokhtar Belmokhtar ho lasa vondrona vaovao antsoina hoe Al-Mourabitoun ny ankolafy iray tamin' ny taona 2013.