Helisoa Rabezato, teraka tamin'ny taona 1966, dia artista malagasy. Ao Antananarivo izy no monina. Ikala, no anarana entiny amin'ny maha artista azy. "Art plastique" no taranja manavànana azy. Tao anatin'ny 15 taona dia efa nihoatran'ny 1000 ny tabilao noforoniny ary toy izany koa ny "lampes". Miisa eo amin'ny 20 ny fampirantiana manokana nataony (exposition pivée)tamin'ny toerana samihafa, na teto an-toerana na tany ivelan'ny ranomasina. Tao anatin'izany ny niantsoan'ny Mairie de St Pierre azy manokana, hanao fampirantiana tany an-toerna (2005).