I Hans Luder, izay fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Hans Luther na Groß-Hans Luther dia mpandraharaha alemàna. Mpandrendrika metaly nonina tao amin' ny Kôntean' i Mansfeld izy, mpitrandraka harena an-kibon' ny tany, tompona toeram-pitrandrahana harena an-kibon' ny tany ary mpanolotsaina ny tanàna taty aoriana ary rain' ilay refôrmatora Martin Luther (malagasy: Martin Lotera). Io anarana hoe Luther io dia tsy nandray ny endrika ahitana "th" raha tsy tamin' ny taona 1517. Teraka tamin' ny taona 1459 tao Möhra i Hans Luder ary maty tamin' ny 29 Mey 1530 tao Mansfeld.

I Hans Luder
I Hans Luder sy i Margaretha Luther vadiny

Ny hoe Hans dia fanakelezana ny anarana alemàna hoe Johannes na Johann izany hoe Joany na Jaona. Ny fianakaviana dia nanana nanana fiovaovan' ilay anarana: Lüder, Luder, Loder, Ludher, Lotter, Lutter na Lauther. Izany anarana izany dia mampahatsiahy ilay mpitaingin-tsoavaly Wigand von Lüder, izay nipetraka tany Möhra nanomboka tamin' ny taona 1302 tany ho any ary avy amin' ny fianakaviana andriana von Lüder tao Großenlüder. Io toerana io koa dia nosoratana hoe Luodera, Lutra, Luttura na Lutar. Io anaram-pianakaviana Luder io koa dia azo lazaina ho endrika ny anarana hoe Lothar.

I Hans Luder dia tantsaha fiaviana, nefa nanjary mpiasa amin' ny fitrandrahana varahina tao amin' ny Kontean' i Mansfeld, avy eo nisahana fitrandrahana varahina sy fandrendrehana metaly, izay nahatonga azy hahazo ny satan' ny madiotanana na bourgeois avy eo magistrat.