Guangxi
Ny Guangxi (广西 / 廣西, Guǎngxī, tsipelina : Kouang-Si) dia faritany mizaka-tenan'ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Ny anarany ôfisialy dia Zhuang-n'i Guangxi, fa ampatelon' ny isan' ny mponina any Guangxi fotsiny ny isan' ny olona manan-drazana Zhuang. Any atsimon' i Sina no misy ny faritanin' i Guangxi, ary mizara sisintany amin' i Vietnamy ilay faritany. Tsy mivoatra tahaka ny faritanin' i Guangdong ny faritan' i Guangxi amin' ny lafiny toekarena.
Jeôgrafia
hanovaAny amin' ny tapany atsimon' i Sina no misy ny faritanin' i Guangxi. Mizara sisintany amin' ny faritanin' i Yunnan izy any andrefana, amin' i Guizhou any avaratra, amin' i Guangdong any atsimo atsinanana ary amin' i Vietnamy any atsimo andrefana.
Tanàna | Isam-ponina tamin'ny 2006 | |
---|---|---|
1 . Nanning | 南宁 | 805 718 |
2 . Liuzhou | 柳州 | 772 579 |
3 . Guilin | 桂林 | 670 048 |
4 . Beihai | 北海 | 305 015 |
5 . Wuzhou | 梧州 | 268 375 |
6 . Yulin | 玉林 | 148 842 |
7 . Hechi (Jinchengjiang) | 河池 | 105 286 |
8 . Qinzhou | 钦州 | 102 281 |
9 . Baise (Bose) | 百色 | 91 161 |
10 . Guigang (Guicheng) | 贵港 | 76 614 |
Jereo koa
hanovaFaritra mizakatena dimy any Sina:
Tsiahy
hanova
|