Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena

Fitsarana heloka bevava iraisam-pirenena tsy tapaka

Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena dia fitsarana maharitra hanandrana hitsara ireo voampanga ho famonoana ny mpiray tanindrazana, heloka bevava tamin' ny olombelona, ny heloka bevava amin’ ny faha-olonana ary ny heloka bevava amin’ ny ady.

Ireo firenena nanao sonia ny lalanan' ny Rôma

Amin' ny faran' ny ny Zaikabe diplômatikan’ ny mpanam-pahefana fenon’ ny Firenena Mikambana, natao sonia tamin' ny 17 Jolay 1998 ny Satan' i Rôma izay nananganana ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena. Naorina tamin' ny fomba ôfisialy ny 1 Jolay 2002 ny fitsarana, aty nidiran' ny Satan' i Rôma an-kery. Ny trano fitsarana dia afaka mitsara ny heloka bevava manomboka tamin' io daty io. Ao La Haye ny toerana misy ny foibe ôfisialin' ilay Fitsarana, fa afaka mifidra na aiza na aiza ny fitsarana.

Tamin' ny 1 Mey 2013, dia firenena 122 amin' ny firenena mpikambana 193 ny firenena ao amin' ny Firenena Mikambana no nanao sonia ny Satan' i Rôma ary manaiky ny fahefan' ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena. Firenena 23 no manampy izay izay ahitana an' i Rosia sy i Etazonia no nanasonia ilay Satan' i Rôma fa tsy nankato izany. Ny sasany, anisan’ izany i Sina sy India dia mitsikera ilay fitsarana ka tsy nanao sonia ny lalàna.

Ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena dia afaka mampihatra ny fahefany rehefa manana ny zom-pirenen' ny firenena mpikambana ao ny olona hotsaraina. Mety ihany koa izany raha nitranga tao amin' ny tany fehezin' ny firenena mpikambana ny asa ratsy nataon' ilay olona, na koa rehefa ampitain' ny Filankevi-Pilaminan' ny Firenena Mikambana. Ny fitsarana dia natao mba hifameno amin' ny rafi-pitsaràn' ny firenena mpikambana: afaka mitsara izy ireo rehefa tsy manana finiavana na fahafahana ny mitsara ilay heloka ny fanjakana. Omena ny fanjakana ny dingana voalohany amin' ny fanadihadiana sy ny fitsarana ny heloka bevava.

Hatramin' izao, nanokatra fanadihadiana amin' ny toe-javatra fito ilay Fitsarana, ao Afrika daholo izy ireo: Oganda, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Repoblikan' i Afrika Afovoany, Darforo, Kenia, Libia ary Kôtidivoara. Olona 16 no nampangain' ny fitsarana. Olona roa no efa maty (na heverina ho toa izany), olona efatra no any an-tranomaizina, ary olona fito no mbola tsy voasambotra. Olona telo no nitoetra an-tsitrapo teo anoloan' ilay fitsarana. Misy fanadihadiana momba an' i Maly.

Ny voalohany notsarain' ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena dia ilay Kôngôley Thomas Lubanga noho ny heloka bevava amin' ny ady, izay nanoboka tamin' ny 26 Janoary 2009. Ny 14 Marsa 2012 dia hita fa meloka noho ny heloka bevava amin' ny ady i Thomas Lubanga. Izay no didim-pitsarana voalohany navoakan' ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena.

Jereo koa hanova