Ny fiteny serera dia fiteny ampiasaina any Senegaly ary koa any Gambia, izay ao amin' ny sampana atlantika amin' ny fiteny nizerô-kôngôley. Ny anarana samihafan' ity fiteny ity dia: serera-sina, sereera, seereera, sina-saloma, seeksa, sina-sina. Olona 1,2 tapitrisa any Senegaly sy 30 000 any Gambia no mampiasa tamin' ny taona 2009. Io no fiteny lehibe indrindra ampiasain' ny Serera, ary fitenin' ny Fanjakan' i Sine sy ny Fanjakan' i Saloum ary Fanjakan' i Baol.

Tsy ny Serera rehetra no miteny serera. Miteny amin' ny fiteny kanjina (fiteny maromaro) ny 200 000 eo ho eo no miteny. Serera ara-poko ny mpiteny serera ka dia heverina ho fitenim-paritra serera ireo fiteny ireo. Na izany aza, tsy mifandray akaiky izy ireo, ary ny fiteny serera dia akaiky kokoa ny fiteny folany (antsoina koa hoe fiteny polba, fiteny polaara, na fiteny folba) noho ny fiteny kanjina.

Jereo koa hanova