Ny fiteny kareliana dia fiteny ao amin' ny sampana fenikan' ny fianakaviam-piteny oraliana. Ny Kareliana, izay vahoaka tompontany ao Carelia, faritra midadasika avy any amin' ny Hoalan' i Finlandy ka hatrany amin' ny Ranomasina Fotsy, misabaka eo amin' i Finlandy sy i Rosia, no mampiasa azy. Ireto ny sampany: ny fiteny karjala sy ny fiteny ôlônetsiana ary ny fiteny loda.