Fiteny japoney

fiteny
japoney
日本語 (Nihongo)

Isan'ny mpiteny 125 tapitrisa (2010)[1]
Faritany Flag of Japan.svg Japana
Sata


Ny fiteny japoney dia fiteny any Japana, tenenin'ny vahoaka japoney. Na dia izany aza dia tsy misy lalàna manome sata ofisialy io fiteny io, na dia izy no anoratana ny tahirinkevitra ofisialy sy any am-pianarana. Miteny japoney koa ny Japoney am-pielezana (indrindra ny any Brezila sy any Però, izay ahitana vahoaka japoney miorim-ponenana miteny io fiteny io, toa ny ao Lima sy ny ao Sao Paulo), ary manana ny satan'ny fiteny ofisialy izy ao amin'ny nosin'i Angaur ao amin'ireo nosy Palaos na dia tsy tenenina ao intsony aza.

Amin'ny teny japoney dia atao hoe 日本語 / nihongo ny hoe "fiteny japoney" (日本 : "Japana"; 語: "fiteny") na 国語 / kokugo ("fitenim-pirenena").

Ao amin'ny fianakaviam-piteny japonika ny fiteny japoney. Nandritra ny tantara dia mihabetsaka ny voambolana ampiasaina ao amin'io fiteny io noho ny findramana teny samihafa: avy amin'ny fiteny sinoa, avy amin'ny fiteny eoropeana, indrindra ny fiteny anglisy.

TsiahyHanova

  1. Nationalencyklopedin "Världens 100 största språk 2010" The World's 100 Largest Languages in 2010