Fiteny indô-ariàna atsinanana

Ny fiteny indô-ariana atsinanana, fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny magadàna, dia sampan' ny fianakaviam-piteny indô-ariana ampiasaina manerana ny faritra atsinanana any India (India Atsinanana sy Assam, Bangladesy), anisan' izany i Bihar, i Jharkhand, i Bengal, i Tripura, i Assam, ary i Odisha; miaraka amin' ny faritra hafa manodidina ny avaratra-atsinanan' ny Lalantsaran' i Himalaya. Ny fiteny bengaly dia fiteny ôfisialin' i Bangladesy (Bangladesh) sy ny Fanjakan' i Bengal Andrefana sy Tripura, raha ny fiteny asamey sy ny fiteny ôdia kosa no fiteny ôfisialin' i Assam sy Odisha.

Ireo fiteny indô-ariana lehibe any Azia Atsimo; ny faritra itenenana ny ireo fiteny indô-ariana atsinanana dia nolokoina mavo