Ny fiteny gôtika dia fiteny maty ao amin' ny sampana jermanikan' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, izay nampiasain' ny vahoaka Gôty tamin' ny faramparan' ny Andro Taloha sy tamin' ny fiandohan' ny Andro Antenatenany.

Takila ao amin' ny Codex Argenteus

Io no tranainy indrindra amin' ny fiteny jermanika voamarim-pisiana, ary iray amin' ny fiteny jermanika atsinanana manana angon-dahatsoratra, izay asehon' ny Codex Argenteus indrindra, izay sora-tanan' ny Baiboly tamin' ny taonjato faha-6. Ny fiteny gôtika dia tsy niteraka fiteny jermanika amin' izao fotoana izao na iray aza, fa ny maha tranainy azy no mahatonga azy ho sarobidy indrindra amin' ny haitey fampitahana.