Ny fiteny baka dia vondrom-piteny afrikana mandrafitra ny sampana iray ao amin' ny fiteny atlantika, izay ao amin' ny fiteny nizerô-kôngôley. Manodidina ny dimy ambin' ny folo ny isan' ny fiteny ao amin' io fitohizam-piteny io, ansan' izany ny fiteny diôlà sy ny fitenim-paritra samihafa (bandiala, karôna, koatay, mlômpa, sns), ny fiteny manjaka, ny fiteny mankana, ny fiteny papela ary ny fiteny balanta. Any amin' ny tapany atsimon" i Senegaly (Casamance), any Ginea, any Ginea-Bisao, ary any Gambia no tena itenenana azy ireo.