Firaisan' i Magreba Arabo

Ny Firaisan' i Magreba Arabo dia fikambanana ara-toekarena sy ara-pôlitika naorin' ny firenena dimy ao Magreba, dia i Alzeria, i Libia, i Marôka, i Tonizia ary i Maoritania. Ao Rabat any Marôka no misy ny sekretera jeneralilny. Atao hoe Union du Maghreb arabe (UMA) izy amin' ny teny frantsay, Arab Maghreb Union (AMU) amin' ny teny anglisy, fa اتحاد المغرب العربي / Ittiḥād al-Maghrib al-‘Arabī kosa amin' ny teny arabo. Tamin' ny taona 2019 dia nahatratra 101 095 436 ny mponina ao amin' ireo firenena mpikambana ireo. Amin'ny 2023, ny tetikasa vola tokana ao amin'ny faritra dia mbola azo tanterahina ara-teknika fa azo fehezina ara-politika.

Sary famantarana ny Firaisan' i Magreba Arabo
Sarintany maneho ireo firenena ao amin' ny UMA