Filôna avy any Aleksandria
I Filôna avy any Aleksandria dia filôzôfa jiosy mananana kolontsaina grika niaina tamin' ny fotoana niantombohan' ny kristianisma. Teraka tao Aleksandria tamin' ny taona 20 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 45 taor. J.K. Niaro ny jodaisma tamin' ny alalan' ireo asa sorany izy ka naneho fa tsy mifanipaka ny finoana jiosy sy ny filôzôfia grika. Isan' ny loharano nanovozan' ireo Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) izy, isan' izany i Eosebio avy any Kaisaria.

Ny anarany Hanova
Amin' ny teny hebreo dia ידידיה הכהן / Yedidia HaKohen ("Jedidia Mpisorona") no iantsoana an' i Filôna. Amin' ny teny grika kosa dia Φίλων ὁ Ἀλεξανδρεύς / Philôn o Alexandreus. Amin' ny teny latina kosa dia Philo Judaeus ("Filo Jiosy/Jody").