Fikambanan' ny Raiamandrenin' ny Mpianatra
Ny Fikambanan' ny Raiamandrenin' ny Mpianatra (na FRAM), araka io anarany io, dia fikambanan' ny raiamandrenin' ny mpianatra eny amin' ny EPP sy CEG ary Lycée miankina amin' ny fanjakana malagasy izay natao mba hiara-hisalahy amin' ny fampandehanana ny fampianarana ny zanany, amin' ny alalan' ny fandraisana ho mpampianatra sy fandoavana ny karaman' ny mpampianatra izay tsy nivoaka avy eny amin' ny sekoly fanofanana ho mpampianatra matihanina. Nanomboka ny taona 1975, manoloana ny tsy fahampian' ny mpampianatra mpiasam-panjakana, dia nivondrona ny ray aman-drenin' ny mpianatra ka nanangana ny FRAM.
Ny mpampianatra FRAM
hanovaMpampiaratra raisin' ny FRAM ho mpiasa sy karamainy, rehefa tsy ampy ny mpampianatra, ny mpampianatra FRAM. Tany amin' ny faramparan' ny taompolo 1990 no niroboroboan' ny fampidirana mpampianatra toy izany. Matetika dia ambany ny fari-pahaizan' ireo mpampianatra ireo, izay tsy nahazo fiofanana matihanina alohan' ny handraisany ny asany. Efa ho 70 000 ny isan' izy ireo tamin' ny taona 2019 ary voaray ho mpiasam-panjakana ny ankamaroany.
Raha fepetra noraisina vonjimaika ny fisian' ny mpampianatra FRAM tamin' ny fotoana nisehoany voalohany dia toa zary fenitry ny fampianarana sahanin' ny fanjakana malagasy izany nandritra ny fitondrana maro nifandimby ka manampy trotraka ny tsy fahombiazana eo amin' ny fanabeazana ny zaza malagasy taorian' ny Repoblika voalohany, indrindra fa any ambanivohitra izay onenan' ny 80 % amin' ny Malagasy.
Jereo koa
hanovaTahirin-kevitra
hanova- "Situation économique des enseignants", www.saalem.fr