Fikambanam-Panafahana an' i Palestina
Ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina dia fikambanana ara-pôlitika sy ara-tafika palestiniana nasiônalista, noforonina tamin' ny 28 May 1964 tao Jerosalema. Ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina dia ahitana fikambanana palestiniana maromaro, anisan' izany ny Fatah, ny Madatehezam-Bahoaka ho an' ny Fanafahana an' i Palestina, ary ny Madatehezana Demôkratika ho Fanafahana an' i Palestina. Atao hoe منظمة التحرير الفلسطينية / Munadhamat al-Tahrir al-Filastiniyah izy amin' ny teny arabo, Palestine Liberation Organization (PLO) amin' ny teny anglisy, ary Organisation de libération de la Palestine (OLP) amin' ny teny frantsay.
Hatramin' ny namoronana azy, ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina, izay ahitana sampana ara-pôlitika maro, dia maneho ny tenany ho hetsi-panoherana mitam-piadiana misolo tena ny Palestiniana. Tamin' ny 22 Nôvambra 1974, ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana dia nanome azy ny satan' ny fikambanana mpijery noho ny famporisihan' i Abdelaziz Bouteflika, minisitry ny raharaham-bahiny alzeriana, izay filohan' ilay fivoriambe tamin' izany fotoana izany.
Tamin' ny taona 1988, ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina dia nanaiky ny zon' ny Isiraely hiaina "ao anatin' ny fandriam-pahalemana sy filaminana" ary nanambara fa "nandao tanteraka" ny fampihorohoroana, sady nanomboka amin' io fotoana io dia nekena ho mpiara-miombona antoka amin' ny fifampiraharahana hamahana ny disadisa eo amin' i Israely sy Palestina.