Fijangajangana (tsy manambady)

Ny fijangajangana dia ny fanaovana firaisana ara-nofo ifanarahan' ny olona roa tsy samy manambady, tsy nanao voady masina sady tsy mpihavana. Isan' ny fahotan' ny nofo izany karazana fijangajangana izany amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo.