Fihaonambe tao Madrid tamin' ny taona 1991

Ny Fihaonambe tao Madrid dia fihaonambe natao nandritra ny telo andro, nanomboka tamin' ny 30 Ôktôbra 1991, nampiantranoin’ i Espaina tao Madrid ary notohanan’ i Etazonia sy ny Firaisana Sôvietika. Io no andrana voalohany nataon' ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin' ny fanombohana ny firosoana mankany amin' ny fandriam-pahalemana any Atsinanana Afovoany, tamin' ny alalan' ny fifampiraharahana nahavoakasika an' i Israely sy ny firenena arabo maromaro, anisan' izany i Siria, i Libanona, i Jôrdania ary ny Palestiniana. Ny fahombiazan' ilay fihaonambe dia ny famporisihana ny fifanakalozan-kevitra momba ny fandriam-pahalemana izay nitarika ho amin' ny fifanarahana tao Oslo tamin' ny taona 1993 sy ny fifanaraham-pandriam-pahalemana israeliana-jôrdaniana tamin' ny taona 1994.

Ny filohan' i Etazonia George H.W. Bush dia niresaka tamin' ny mpanatrika nandritra ny fihaonambe tao amin' ny lapan' ny mpanjaka any Madrid.