Anglikanisma

(tonga teto avy amin'ny Fiangonana episkopaliana)

Ny Anglikanisma dia fivavahana kristiana niorina voalohany tao Angletera vokatry ny fialany avy amin' ny Fiangonana katôlika tamin' ny taona 1534. Any amin' ireo firenena miteny anglisy no tena ahitana azy, indrindra ireo zanatany britanika taloha, nefa koa miely any amin' ny tany andehanan' ny Britanika manerana an' izao tontolo izao io fiangonana io[1]. Ahitana fiangonana anglikana mahaleotena maro mikambana ao amin' ny Firaisambe Anglikana na Fiombonambe Anglikana[2] (anglisy: Anglican Communion) ka iombonany ny lafiny fampianaram-pinoana sy ara-panahy ary momba ny sakramenta. Miisa eo amin’ ny 85 000 000 eo ny mpino ao aminy. Raha any ivelan' ny Fanjakana Mitambatra dia  "episkôpaliana" no ahafantarana io fiangonana io. Eo anelanelan’ ny katôlisisma sy ny prôtestantisma ny anglikanisma izay milaza ny tenany ho sady katôlika no nohavaozina. Izany no atao amin' ny teny latina hoe via media ("lalana anelanelany"). Katôlika (nefa tsy rômana) noho izy nanohy ny fifandimbiasana apôstôlika, nefa nohavaozina koa satria nanaraka ny fotokevitra teôlôjikan' ny Fanavaozam-piangonana prôtestanta indrindra tamin' ny fandraisany ny Faneke-mpinoan' i Westminster tamin' ny taona 1646.

Katedraly anglikana ao Canterbury any Angletera

Fivavahana ôfisialin' i Angletera izy nanomboka tamin’ ny taonjato faha-16 nefa miparitaka amina firenena hafa koa izy taty aoriana, indrindra ireo firenena zanataniny. Nanomboka tamin’ ny fanapahan-kevitr' i Henry VIII mpanjakan’ i Angletera tamin’ ny taonjato faha-16, izay niteraka ny fisarahana tamin’ i Rôma noho ny antony ara-pôlitika sy ara-teôlôjia tamin’ ny alalan’ ilay atao hoe Acts of supremacy tamin’ ny taona 1534. Tamin’ ny voalohany, ny fampianaram-pinoana anglikana dia noraketina tao amin’ ilay atao hoe Bill of 39 articles[3] izay tsy maintsy tanterahina.

Jereo koa hanova

Loharano: hanova

  1. "Member Churches" [tahiry], sur www.anglicancommunion.org (notsidihina tamin'ny 18/01/2016)
  2. "Fifaneken'ny Fiangonana Anglikana" ao amin'ny Anglican Communion Archived Oktobra 15, 2018 at the Wayback Machine. (Jereo ny andininy faha-4 ao amin'ny takila faha-2 ao amin'ilay takelaka PDF).
  3. "Trente neuf articles", tamin'ny Encyclopædia Universalis, https://plus.google.com/108843606711422050602 [tahiry] (notsidihina tamin'ny 20/01/2016)