Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky

Ny Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky, izay hafohezina amin'ny hoe FMTA, dia fiangonana protestanta nipoitra avy amin'ny London Missionary Society (LMS) tamin'ny taona 1894. Ny Pastora Rajaonary no nitantana ny Fiangonana voalohany nanomboka ny taona 1894 tao amin'ny trano fiangonana Antsampanimahazo izay atao hoe Tranovato Ambatonakanga ankehitriny. Ny tsy fifanarahany tamin'ireo misionera anglisy izay nihevitra ny pastora malagasy ho mpanampy ihany no nahatonga azy hanorina trano fiangonana tsy miankina izay nataony hoe Fiangonana Malagasy Zanaky ny Baiboly tamin'ny 01 Avrily 1894. Nanangana fiangonana trano zozoro izy tamin'ny voalohany hatao trano fiangonana avy eo taty aoriana dia nanangana trano biriky tamin'ny taona 1900[1]. Amin'ny fihirana zafidraony no nanaovany fiderana.[2] Isan'ny misionera nanao fandikan-teny ny Baiboly ny Pastora Rajaonary ary betsaka ny hira fiderana ao amin'ny fihirana protestanta izay noforoniny[3]. Nankalazaina tamin'ny taona 2014 ny faha-120 taonan'ny FMTA [3].

Isan'ny pastora nitantana ny Fiangonana koa i Jacques Rahamefy, ilay namorona ny hiram-pitiavan-tanindrazana mitondra ny lohateny hoe "Madagasikara Tanindrazanay" izay nalaza tokoa tamin'ny Tolom-bahoaka tamin'ny taona 1947[4][2].  

Niezaka nampandroso ny fitoriany ny Filazantsara nanomboka tamin'ny taona 1960 ilay fiangonana. Tsy eto Madagasikara ihany no ahitana ny io fiangonana io fa hatrany ampita koa toa an'i Afrika noho ny asan'ny Pastora Ratovonarivo (taona 1980) sy ny Pastora David Randriamananivo (nanomboka tamin'ny taona 2005)[4]. Tsy isan'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny FMTA na dia maro aza ny olona mampifangaro azy ireo. Misy mpino miisa 20 000 ny FMTA tamin'ny taona 2014 izay miparitaka amina paroasy miisa 120 manerana ny Nosy.

Manana ivotoerana fianarana teolojia izy ka mampianatra hatramin'ny hahazoan'ny mpianatra ny diploman'ny Dokotera an-teololia. Manaraka ny rafi-pampianarana Licence-Master-Doctorat (LMD) izy amin'izao[4]. Raha amin'ny lafiny kolontsaina dia miroborobo ny fanaovana tantara an-tsehatra (teatira) izay mitohy mandraka ankehitriny satria tao no nivoaran'ireo mpilalao toa an'i J.J. Tseheno, Rasamoelijaona Wilson, Odette Suzana, Rasamy Gitara sy ny maro hafa koa.

Jereo koa: hanova

Rohy ivelany: hanova

Loharano: hanova

  1. Reformed online "Tranozozoro Antranobiriky"
  2. 2,0 et 2,1 Ny Mpitandrina nifandimby. Notsidihina tamin'ny 23/08/2018.
  3. 3,0 et 3,1 MIDI Madagascar - "La FMTA célèbre ses 120 ans !"
  4. 4,0 4,1 et 4,2 Farah Randrianasolo, "Tranozozoro Antranobiriky: Croisade massive pour 2014". Notsidihina tamin'ny 23/08/2018.