Fiangonana Fifohazam-Panahy Loterana Malagasy

Ny Fiangonana Fifohazam-Panahy Loterana Malagasy na FFPLM, dia fiangonana loterana naorin' ilay mpiandry Raharinirina Olga izay fantatra amin' ny anarana hoe Neny Olga, mpiandry tao amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM). Ao Anolaka any Fianarantsoa ny foibeny izay misy ny Toby Lehibe Kanana. Tamin' ny 13 Avrily 2013 no nijoro ara-panjakana ny FFPLM raha tany amin' ny taona 2008 no efa nisy ny tsy fifanarahana tamin' ny FLM[1]. Mampiasa ny fihirana FFPM sy ny litorjia loterana malagasy ny FFPLM. Ao amin' ny Toby lehibe Kanana ao Fianarantsoa i Neny Olga no miasa. Maro ny olona mirotsaka ho mpiandry ka miara-miasa amin' i Neny Olga rehefa avy niofana any amin' ireo fiangonana toy ny FJKM na ny FLM. Nanamboatra trano fiangonana lehibe, dia ny Katedraly Toby Neny Olga Ambolokandrina Antananarivo, ny FFPLM. Miely any amin' ny faritany enina eto Madagasikara ny FFPLM. Efa misy any amin' ny tanàna maro eto Madagasikara ankehitriny ny FFPLM, toy ny any Sakaraha, Toliara, Ambovombe Androy, Farafangana, Vohipeno, Ivantana (nisy ampanjaka antemoro natao batisa). Miditra an-tsehatra amin' ny asa fanasoavaa ny mpiara-monina koa ny FFPLM amin' ny fiahiana ny zaza tsy misy mpiahy sy ny fandraisana an-tanana ny vehivavy sahirana amin' ny alalan' ny fanorenana akany[2].

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. movies.codedwap.com Neny Olga Archived Oktobra 2, 2020 at the Wayback Machine
  2. Aoraha.mg "Safidim-piainana, vehivavy nanary ny nofinofiny tamin'ny asa fanasoavan Archived Oktobra 2, 2020 at the Wayback Machinea" (18/06/2019).