Fanjakana Indô-Partiana

Ny Fanjakana Indô-Partiana na Fanjakana Indô-Parta fanjakana partiana naharitra teo nelanelan' ny taona 19 sy ny taona 226, nofehezin' ny tarana-mpanjaka Gôndôfarida sy ny mpanapaka hafa avy amin' ny vondrona "mpanjaka" any Azia Afovoany izay nitondra ny ampahany amin' i Afganistana, amn' i Pakistana ary amin' ny avaratra-andrefana amin' i India ankehitriny nandritra ny taonjato voalohany na taloha kelin' izany. Amin' ny ampahany ben' ny tantara fohin' izy io, ny Gôndôfarida dia nisafidy an' i Taxila (ao amin' ny faritanin' i Punjab ankehitriny ao Pakistana) ho toeram-ponenany, saingy tamin' ny taona farany niainany dia nifindra teo anelanelan' i Kabul sy Peshawar ity renivohitra ity. Ireo mpanjaka ireo dia nantsoina hoe "indô-partiana" na "indô-parta", satria matetika no nalaina tahaka avy amin' ny an' ny tarana-mpanjaka Arsakida ny volany. Azo inoana anefa fa anisan’ ny foko iraniana maro lehibe kokoa nonina tany atsinanan’ ny Partiana izy ireo. Ankoatr' izany, tsy misy porofo fa ny mpanjaka rehetra izay naka ny anaram-boninahitra hoe Gôndôfaresy, izay midika hoe "Vavahadin' ny voninahitra", dia nisy ifandraisany tamin' ny Gôndôfaresy voalohany.

Fanjakana Indô-Partiana