Fanehoan-javatra mifintina sy mivelatra

Ny fanehoan-javatra mivelatra sy ny fanehoan-javatra mifintina dia fanehoan-javatra ara-pitsipiteny. Ny fanehoan-javatra mivelatra dia iheverana ny ampaham-potoana ao anatin' ny fandrosoan' ny asa ambaran' ny matoanteny. Ny fanehoan-javatra mifintina dia iheverana manontolo ilay asa ambaran' ny matoanteny, raisina avy amin' ny fanombohany ka hatramin' ny fiafarany tsy azo zaraina.

Fanehoan-javatra mifintina hanova

Ny fanehoan-javatra mifintina dia iheverana hatramin' ny fanombohany ka hatramin' ny fiafarany ny asa na toetra lazain' ny matoanteny. Matetika mifangaro amin' ny fanehoan-javatra efa ny fanehoan-javatra mifintina ao amin' ny fiteny tsy manana marika hanavahana izany.

Amin' ny fiteny frantsay dia ny mari-potoana lasa tsotra (frantsay: passé simple) ao amin' ny filaza tsotra no maneho izany.

Ohatra:

  • Le Général de Gaulle vécut 80 ans. ("Niaina 80 taona ny Jeneraly de Gaulle".)
  • En 1991, l'équipe de France de tennis gagna la coupe Davis. ("Tamin' ny 1991 dia nahazo ny amboara Davis ny ekipa mpilalao tenisy frantsay.")

Fanehoan-javatra mivelatra hanova

Ny fanehoan-javatra mivelatra dia iheverana ny ampaham-potoana isehoan' ny asa na toetra lazain' ny matoanteny. Matetika mifangaro amin' ny fanehoan-javatra tsy efa ny fanehoan-javatra mivelatra ao amin' ny fiteny tsy manana marika hanavahana izany.

Amin' ny fiteny frantsay dia ny mari-potoana lasa tsy efa (frantsay: imparfait) ao amin' ny filaza tsotra no maneho izany. Ao amin' io fiteny io ihany dia misahana izany koa amin' ny ankapobeny ny mari-potoana ankehitriny (frantsay: présent) ao amin' ny filaza tsotra.

Ohatra:

  • Il chantait une chanson. ("Niventy hira izy").
  • Depuis ce midi il chantait. ("Nihira izy nanomboka tamin' ny antoandro").
  • Tsy azo atao ny milaza hoe Il chantait jusqu'à midi ("Nihira izy mandra-pahatongan' ny antoandro") satria heverina eto ny fiafaran' ilay fihirana.

Jereo koa hanova