Fameno zoina tsy mivantana
Ny fameno zoina tsy mivantana, araka ny fitsipiteny mahazatra an'ny fiteny sasany, dia anjara asan'ny teny na andian-teny ao amin'ny fehezanteny izay matetika akambana amin'ny matoanteny amin'ny alalan'ny mpampiankin-teny, izay milaza ny olona na ny zavatra atao na iharan'ny asa. Ny mifanohitra aminy dia ny fameno zoina mivantana izay tsy ampidirin'ny mpampiankin-teny.
Ao amin'ny fehezanteny frantsay hoe Jean a donné le livre à Marie ("Nanome ny boky an'i Marie i Jean") dia fameno zoina tsy mivantana ny hoe à Marie.