Phacochoerus

(tonga teto avy amin'ny Fakôsera)

Ny Phacochoerus dia vondron-karazam-biby mapinono, ao amin' ny fianakaviana Suidae, manana kitro roa miaraka isaky ny tongony, misy vangy lava roa (mety mahatratra 60 sm ny an' ny efa antitra), misy vombony ny tampon-damosiny, misy mivohitra tsiroaroa ankavia sy ankavanana amin' ny lohany somary mivelatra.

Phacochoerus

Toetoetrany

hanova
 
Phacochoerus africanus

Ny fakôsera dia manana vatana be, manana tongotra mahia sy rambo be volo. Mety mahatratra 1,6 m ny halavan' ny fakôsera ary mety milanja 100 kg ny lahy fa ny vavy kosa 50 hatramin' ny 75 kg. Miely patrana any amin’ ny lemaka sy ny ala tsy mikitroka aty Afrika izy ireo.

Ny sakafon' izy ireo dia ahitra, voaroy, hodi-kazo, faka ary fatim-biby. Amin' ny ankapobeny izy ireo dia mandeha amin' ny andro ary mandany ny alina ao amin' ny fialofana, nefa mety ho lasa mpandeha alina izy ireo any amin' ny faritra be mponina.

Amin' ny vanim-potoanan' ny fananahana, ny vavy miaraka amin' ny zanany dia mamorona vondrona kely, indraindray ahitana lahy lehibe. Ny lahy tanora dia mamorona vondrona mpitovo, fa ny lahy lehibe dia mandeha manirery. Ny lahy kely dia mandao ny reniny rehefa afaka herintaona mahery kely. Ny vavy kely kosa dia afaka mijanona ao amin' ny andiana tarihin-dreniny mandritra ny androm-piainany.

Rehefa teraka ny zanany vaovao dia voaroaka ny zanany efa lehibe na lahy na vavy, saingy afaka miverina amin’ ny reniny izy ireo any aoriana any. Ny vangy lavane' ny fakôsera dia fitaovam-piadiana maranitra izay ampiasaina amin' ny biby mpiremby toy ny liona fa zara raha entiny miady amin' ny fakôsera hafa.

Karazana sy zana-karazana

hanova
 
Phacochoerus aethiopicus

Indreto ny karazana ao aminy:

  • Phacochoerus africanus
    • Phacochoerus africanus aeliani
    • Phacochoerus africanus africanus
    • Phacochoerus africanus massaicus
    • Phacochoerus africanus sundevallii
  • Phacochoerus aethiopicus
    • Phacochoerus aethiopicus aethiopicus
    • Phacochoerus aethiopicus delamerei

Jereo koa

hanova