I Fôtinôsy na Fôteinôsy dia eveka kristiana tao amin' ny tanàna atao hoe Sirmio tany Panônia Faharoa (atao ankehitriny amin' ny anarana hoe Sremska Mitrovica any Serbia), izay nalaza indrindra tamin' ny fandavana ny fahatongavan' i Kristy ho nofo, ka noheverin' ny Fiangonana Katôlika sy Ôrtôdôksa ho mpivadi-pinoana. Amin' ny teny grika ny anarany dia Φωτεινός / Phôteinôs. Maty tamin' ny taona 376 izy. Ao amin' ny literatiora taty aoriana ny anarany dia nanjary nitovy hevitraho amin' ny olona izay milaza fa tsy Andriamanitra i Kristy.