Ny Euphorbiaceae dia fianakavian-javamaniry roa ravin-tsimoka, maniry amin' ny faritra rehetra eto ambonin' ny tany, afa-tsy any amin' ny faritra Arktika sy Antarktika. Ny fianakaviana Euphorbiaceae no fianakaviana fahafito lehibe indrindra amin' ny zavamaniry misy voninkazo izay ahitana karazany miisa 6 000 mahery mitsinjara amin' ny vondron-karazana miisa eo anelanelan' ny 200 sy 300.

Karazana Euphorbiaceae, songosonga (Euphorbia Milii).

Fiforonan-teny hanova

Ny anarana hoe Euphorbiaceae dia avy amin' ny anaran' ny vondron-karazana filamatra Euphorbia, anarana mahazatra ho an' ny karazana iray amin' ity vondron-karazana ity (avy amin' ny teny grika hoe ευφορβος / euphorbos), natokan' i Juba II, mpanjakan' i Maoretania (50 - 23 tal. J.K.), ho an' i Eofôrbosy (Euphorbus) dokoterany.

Ohatra hanova

Ny songosongo (Euphorbia milii) sy ny kinana (Ricinus communis) ary ny savoa (Jatropha curcas).