Ny Eskimô dia ireo mponina tompon-tany any faritr' i Arktika izay monina any Alaska, any amin' ny faritra Avaratra Lehibe Kanadiana, any Grinlandy ary any amin' ny tapany atsinanana amin' i Siberia. Manondro ny vahoaka Inoita sy Iopika ny teny hoe Eskimô.

Sarin-tany maneho ny faritra onenan' ny Eskimô any avaratr' izao tontolo izao

Na dia ny vahoaka inoita aza no maro an' isa amin' ireo antsoina hoe Eskimô, io teny io dia naampiasain' ireo mpahita tany tamin' ny taonjato faha-19 izay tsy nanavaka foko manokana. Ny Inoita koa dia tsy mampiasa io anarana io hanondroany ny tenany sady heverin' izy ireo fa mifono fanavakavahana na manambanimbany mihitsy aza.

Eskimô manamboatra iglo
Fianakavina eskimô (Inopiaty) any Alaska tamin' ny taona 1929.

Ny atao hoe "fiteny eskimô" dia manondro ihany koa ny vondrom-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny eskimô-aleota izay ahitana ireo fiteny inoita sy ireo fiteny iopika.

Jereo koa hanova