i Epiktetôsy dia filôzôfa stôikiana grika. Teraka tao amin’ ny fanandevozana tany Hierapôlisy, any Frigia (Pamukkale ankehitriny, any Torkia andrefana) izy ary nipetraka tany Rôma mandra-pandroahana azy, rehefa nankany Nikôpôlisy any Grisia avaratra-andrefana, izay nandaniany ny androm-piainany. Teraka tamin' ny taona 50 izy ary maty tamin' ny taona 135. Amin' ny teny grika dia atao hoe Ἐπίκτητος / Epíktētos; izy. Ny fampianarany dia nosoratana ary navoakan' ny mpianany Arianôsy tao amin' ny Ἐπικτήτου διατριβαί / Epiktētou diatribai sy ny Ἐγχειρίδιον Ἐπικτήτου / Enkheirídion Epiktḗtou.

Epiktetôsy

I Epiktetôsy dia nampianatra fa ny filôzôfia dia fomba fiaina fa tsy fitsipi-pifehezana teôrika fotsiny. Ho an' i Epilktetôsy, ny fisehoan-javatra ivelany rehetra dia tsy voafehintsika; milaza izy fa tokony hanaiky izay mitranga amim-pahatoniana sy tsy misy firehetam-po isika. Na izany aza, ny olona tsirairay dia tompon' andraikitra amin' ny zavatra ataony, izay azony dinihina sy fehezina amin' ny alalan' ny fifehezan-tena henjana.