I Eonômio na Eonômiosy dia olona nanana ny maha izy azy tao amin' ny kristianisma tamin' ny Andro Taloha tamin' ny taonjato faha-4, avy any Kapadôkia izay evekan' i Kizikôsy. Mpanohana ny firehana anômeanan' ny arianisma izy. Antsoina hoe "Eonômiana" ny mpianany. Amin' ny teny latina ny anarany dia Eunomius Cyzicenus. Maty tamin' ny taona 395 izy. Ny adihevitra sy ny fifandirana nanodidina ny fanambaràm-pinoany sy ny fampianarany - ny "ady hevitra eonômiana" - no dingana farany tamin' ny krizy ariàna izay nampizarazara ny kristianisma nandritra ny taonjato faha-4.

Eonômio