Ejipsiana (vahoaka)
Ny Ejiptiana na Egiptiana dia vondrom-poko teratany any amin' ny Lohasahan' i Nily any Ejipta (na Egipta). Mifamatotra amin' ny jeôgrafia ny maha Egiptiana. Ny mponina dia mivangongo ao amin' ny Lohasahan' i Nily, izay faritra kely azo volena manomboka amin' ny Riambe Voalohany ka hatrany amin' ny Ranomasina Mediteranea ary voahodidin' ny taniefitra miantsinanana sy miankandrefana. Io jeôgrafia miavaka io no fototry ny fivoaran' ny fiarahamonina egiptiana hatramin' ny fahagola. Atao hoe مِصرِيُّون / Miṣriyyūn izy ireo amin' ny teny arabo, مَصرِيِّين / Maṣryyīn amin' ny teny arabo egiptiana, ary remenkhēmi amin' ny teny kôpta.
Fitohizan-karazam-pitenim-paritra arabo eo an-toerana ny fiteny andavanandron' ny Egiptiana; atao hoe fiteny arabo egiptiana na masri ny fitenim-paritra fantatra indrindra. Fanampin' izany, vitsy amin' ny Egiptiana monina any Ejipta Ambony no miteny arabo saidy, izay fifangaroan' ny fitenim-paritra kôpta sahidika sy ny fiteny arabo. Manaraka ny fivavahana silamo sonita ny Ejiptiana amin' ny ankapobeny, nefa ahitana Siita vitsy anisa ary misy ampahany manaraka ny sofisma teratany. Be koa ny isanjaton' ny Ejiptiana kristiana kôpta ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôpta, mampiasa ny fiteny kôpta ho fiteny litorjika, izay dingana farany indrindra tamin' ny fivoaran' ny fiteny egiptiana taloha ary mbola ampiasaina miaraka amin' ny fiteny arabo egiptiana amin' ny vavaka.