Eglizy Katôlika Kaldeana

Ny Eglizy Katôlika Kaldeana dia fiangonana katôlika tatsinanana mizaka tena manokana (sui juris) miombona tanteraka amin' ny Fiketrahana Masina sy ny sisa amin' ny Eglizy Katôlika, ary tarihin' ny Patriarkata Kaldeana. Mampiasa ny fombam-pivavahana siriaka tatsinanana amin' ny fiteny siriaka izy fitenim-paritry fiteny arameana izy, ary anisan' ny kristianisma siriaka. Any Bagdad, Iràka, ny foibeny nanomboka tamin' ny taona 1950, ary ny katôlikôsy-patriarka Louis Raphaël I Sako no mitarika azy. Tamin' ny taona 2010 dia nanana mpikambana 490 371 izy, ka ny 310 235 (63,27 %) dia monina any Atsinanana Afovoany (any Iràka indrindra).

Mari-pamantarana ny Eglizy Katôlika Kaldeana

Ny United States Commission on International Religious Freedom ("Vaomieran' i Etazonia momba ny Fahalalahana Ara-Pivavahana Iraisam-Pirenena") dia mitatitra fa, araka ny filazan' ny Iraki Christian Foundation, masoivohon' ny Eglizy Katôlika Kaldeana, dia manodidina ny 80 % amin' ny Kristiana irakiana no ao amin' io fiangonana io. Ao amin' ny Report on Religious Freedom ("Tatitra momba ny Fahalalahana ara-Pivavahana") tamin' ny taona 2018, ny United States Department of State ("Departemantam-Panjakana Amerikana") dia nametraka ny Katôlika kaldeana ho eo amin' ny 67 % amin' ny Kristiana any Iràka.