Efraima (zanak' i Jôsefa)

(tonga teto avy amin'ny Efraima (zanak'i Josefa))

I Efraima dia zanaka lahin' i Jôsefa tamin' i Asnata, sy zafikelin' i Jakôba, ary zandrin' i Manase. Ireto ny zanany lahy: Sotela, Bekera, Tahana (Nomery 26.35), Ezera, Eleada ary Beria (1Tantara 7.20-23).

Mitso-drano an' i Manase sy i Efraima i Jakôba, sary nataon' i Rembrandt Harmenszoon van Rijn, taona 1656.

Ny taranak' i Efraima no namorona ny iray amin' ireo fokon' i Israely roa ambin' ny folo, dia ny fokon' i Efraima izay zana-pokon' i Jôsefa. Anisan' ny taranak' i Efraima i Jôsefa zanak' i Nona sy i Jeroboama zanak' i Nebata. Anisan' ny fokon' i Efraima koa i Jôsoa (na Jôsoe).

Ny Samaritana amin' izao fotoana izao dia milaza ny tenan' izy ireo ho taranak' i Efraima sy i Manase.