DokuWiki dia rindrankajy wiki iray nosoratan'i Andreas Gohr tamin'ny PHP ho fanampiana ireo orinasa mila fitaovana hanamboarana documentation. Tsy mila banky angona izy satria anaty rakitra teksta tsotra no tehiriziny ny votoatin'ny pejy. Mitovitovy amin'ny ampiasain'i MediaWiki ny fitsipi-panoratana, izay tsotra nefa matanjaka ary azo antoka fa mety vakiana na ivelan'ny wiki aza. Ny GPL no lisansy mitondra azy.

Zava-bitany hanova

  • Mampiasa rakitra teksta tsotra
  • Fitsipi-panoratana tsotra, fanovàna pejy mora atao noho ny fisian'ny bokotra ahafahana manao hitsin-dàlana
  • Ahafahana manova ny ampahany ihany amin'ny fizaran'ny pejy
  • Tsy voafetra ny isan'ny fanovàna pejy afaka atao
  • Fanehoana ny niova amin'ny pejy iray mampiasa endrika miloko
  • Ahafahana mamaritra pejy natao ho vakiana fotsiny fa tsy azo ovaina
  • Fampiasana RSS hanarahana ny vao niova
  • Namespace
  • Rohy Samywiki
  • Fandefasana sary sy fampiarahana azy ao anaty pejy
  • Fanovàna haben'ny sary
  • Mahazaka tenim-pirenena samihafa
  • Miady amin'ny Spam amin'ny alàlan'ny lisitra mainty
  • Fanoloana teny
  • Cache
  • Fanidiana pejy mba tsy hisian'ny fanovàna mifaninana amin'ny fotoana iray
  • Tovana (plugins)
  • Lasitra anamboarana ny endriky ny pejy
  • sy hafa koa

Rohy ivelany hanova