Dnipro

(tonga teto avy amin'ny Dnipropetrovsk)

I Dnipro na Dnipropetrovsk dia tanàna any atsinanana amin' i Okraina, renivohitry ny faritra sady tanàn’ ny taozavabaventy lehibe any.

Dnipro

Amin' ny teny okrainiana izy dia atao hoe: Дніпро / Dnipro; amin' ny teny rosiana: Днепр / Dniepr. Hatramin' ny taona 1926 izy dia nantsoina hoe Ekaterinoslav na Iekaterinoslav, nanomboka tamin' ny taona 1926 ka hatramin' ny 2016 Dnipropetrovsk (avy amin' ny teny okrainiana) na Dniepropetrovsk (avy amin' ny teny rosiana).

Tanàna ao amin' ny faritra manankarena mineraly izy io; noho ny lalamby sy ny fitaterana amin' ny sambo dia azo atao ny maka vy avy any Kryvyi Rih, sy arintany avy any Donetsk ary manganezy avy any Nikopol. Ny zavatra vokarina betsaka ao dia ny vy, ny fitaovam-panorenana, ny vokatra simika, ny fitaovana amin' ny lalamby, ary ny milina ampiasaina amn’ ny fambolena sy ny fitrandrahana. Ity tanàna ity dia misy oniversite, ivon-toeram-pikarohana, galerian-javakanto  ary tranombakoka.

Naorin' i Grigori Aleksandrovich Potemkin tamin' ny taona 1787 ilay tanàna izay nantsoina hoe Yekaterinoslav tany am-boalohany, ho fanomezam-boninahitra an' i Catherine II, empreroravavin' i Rosia. Ny anarany amin' izao fotoana izao dia nomena azy tamin' ny taona 1926. Ny fahavitan' ny orinasa mpamokatra herinaratra lehibe iray ao amin' i Dniepr tamin' ny taona 1932 dia nanafaingana ny fitomboan' ny indostria tao an-tanàna, izay nanomboka tamin' ny taona 1880, tamin' ny fahatongavan' ny lalamby. Nandritra ny Ady Lehibe II, i Dnipropetrovsk dia nofehezin' ny Alemàna tamin' ny taona 1941 ka hatramin' ny 1943.