Distrikan' Ambohidratrimo

(tonga teto avy amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo)

Ny Distrikan' Ambohidratrimo dia distrika eto Madagasikara, ao amin' ny tapany avaratra-adrefan' ny Faritanin' Antananarivo, ao amin' ny Faritra Analamanga. I Ambohidratrimo no renivohiny. Ahitana kaominina miisa 24 ny ao amin' io disrika io izay manana velarana 1 415 km2 ary ny isan' ny mponina dia novinavinaina ho 470 221 tamin' ny taona 2020. Ny renivohiny dia Ambohidratrimo.

Rovan' Ambohidratrimo
Distrikan' Ambohidratrimo ao amin' ny Faritra Analamanga
Distrikan' Ambohidratrimo ao amin' ny Faritanin' Antananarivo

Tsangambato manan-danja teo amin' ny tantaran' i Madagasikara ny Lapan' Ambohidratrimo. Voatahiry tsara ao ny sisa navelan' ny lasa toy ny fasan' ny mpanjaka. Ny alin' ny 26 Aogositra 2015 no nirehitra ilay lapa, araka ny fikarohana voalohany nataon' ny tompon' andraikitra mahefa teny an-toerana, dia heloka bevava no niandohan' ny afo.

Ny kaominina ao amin' ny Distrikan' Ambohidratrimo

hanova

Irreto ny kaominina ao amin' ny Distrikan' Ambohidratrimo:

Jereo koa

hanova

Ny distrika ao amin' ny Faritra Analamanga