Ny disenteria dia aretin' ny tsinaibe izay miteraka fivalanana. Sotritr' ity aretina ity koa ny tazo sy ny fanaintainan' ny kibo ary ny fahatsapana tsy fahampian' ny famoahana diky. Mety hahitana tsy fahampian-drano betsaka amin' ny vatana raha mitranga ny fahasarotana.

Ny tsinaibe (nolokoana eto amin' ny sary)

Matetika ny bakteria ao amin' ny vondron-karazana Shigella no antony mahatonga ny disanteria, ka raha izany no mitranga dia atao hoe sizelôzy ilay aretina. Mety ho avy amin' ny amiba Entamoeba histolytica koa, ka antsoina hoe amibiazy ilay aretina. Ny antony hafa dia mety ho zavatra simika sasany, bakteria hafa, prôtôzôa hafa, na kankana katsentsitra. Mety hiely amin' ny olona maro io aretina io. Ny sakafo sy ny rano voaloton' ny diky noho ny faharatsian' ny fidiovana no zavatra mety miteraka azy. Ny famaivain' ny tsinay, indrindra fa ny tsinaibe, no fisehony matetika.