Page de discussion de AleasterX hanova

Fikambanana Wikipedien Malagasy hanova

Manakory aby tompoko.

Mba misy hetaheta kely tiako hozaraina mba hampandrosoana ny Wikipedia Malagasy. Soso-kevitra ihany ny ahy ary tsy haiko loatra raha efa misy ilay izy na tsy misy, fa ny hevitro dia : Maninona raha mba asiana vondrona iray hifaneraseran'ny Wikipedianina Malagasy. Mba hifankafantarana sy hizarana trai-kefa. Vitsy mantsy raha ny salan'isa no jerena ireo mpikambana malagasy eto amin'ity tranonkala ity ka mety ho tsara raha mba misy vondrona mampiray, ary mba ho afaka hanao hetsika fizarana sy fampiroboroboana ity Tranonkala ity isika raha tafavondrona. Hevitra ihany ny ahy io, fa asa ianao raha mazoto. Raha efa misy moa ilay vondrona dia mba tiako ho fantatra.

Mankasitraka tompoko

--AleasterX (resaka) 28 Martsa 2017 à 14:14 (UTC)Répondre

Miarahaba tompoko, ary tonga soa eto amin'i Wikipedia.
Voalohany indrindra aloha dia misaotra anao mamoa-kevitra momba ny Wikipdia. Tena vitsy tokoa ireo mpandray anjara amin'izao fotoana izao ka atao ny ezaka mba hampiroboroboana an'i Wikipedia. Efa nanentana ihany aho tamin'ny alalan'ny forum gasy ary tamin'ny alalan'ny vondrona Facebook (https://www.facebook.com/wpmalagasy). Io vondrona Facebook io dia tokony natao hifanakalozan-kevitra, vaovao ary fahaizana, fa tsy ampy ny fotoana ananako hikarakarana io vondrona io.
Ankoatra izany koa dia misy ireo pejin'ny fikambanana (https://mg.wikipedia.org/wiki/Dinika_amin%27ny_Wikipedia:Dinika) izay azo ampisaina ho an'ny fifandraisana amin'ny mpikambana avy any amin'ny Wiki hafa.
Raha manana fanontaniana na soso-kevitra ianao dia aza misalasala :) — Jagwargrr... mailaka 1 Aprily 2017 à 19:52 (UTC)Répondre